Norombahan'i Alan Rasamimanana ny tompondakan'i Madagasikara ny faran'ny herinandro teo sokajy tanora. Tena namirapiratra i Alan izay nivoaka mpandresy tamin'ity taranja tennis ity, vao 2 taona monja no nandalinany betsaka kokoa ny tennis raha ny fitantaran'ny ray amandreniny izay nanaraka azy akaiky tamin'ny fifaninanana dia izao voahositra ho tompondaka izao sahady, 10 taona izy, hanoy tsy hijanona hatreo ny tanjon'ny zandry kely ary manampaniriana ny hitondra avo ny fanevan'i Madagasikara.