Ny asabotsy 20 novambra teo no famaranana ny Mister International. Izay fifaninana lehibe eo amin'ny hatsaran-tarehin'ny tovolahy. Firenena 44 no nandefa solotena, ary anisan'izany, araky ny efa fantatsika i Lova. Nandritry ny famaranana dia nisy ny fisehoana teo amin'ny akanjo nentim-paharazana, na dia efa nisy aza fampisehoana an'io akanjo io nandritry ny lanonana iray hafa teo aloha (sary). Nisy ihany koa ny filatroana teo amin'ny akanjo fetina amoron-dranomasina, ary farany dia ny akanjo mihaja. Lanonam-be tao amin'ny Central Park, ao Jakarta no nanaovana ny famaranana ny fifaninana. Mpitsara tsy latsaky ny folo avy amin'izao tontolo izao no nitsara ireto tovolahy. Nivoaka ho mpandresy tamin'izany i Ryan Terry, izay Mister Great Britain. Plombier no asany, 22 taona izy, 1m75 ary tia milalao golf sy baolina kitra. Manaraka azy akaiky tao, na premier dauphin i Mister Bresil, izay hisolo ny tompon'anarana izany raha misy tsy fahafahan'ilay anglisy. Deuxieme dauphin kosa i Mister Espagne, manaraka azy Mister Indonesia, ary faha-dimy, na quatrième dauphin i Mister Greece. Hatreo no filaharana azo fa tsy fantatra mazava ny laharana izay nisy ireo tovolahy sisa, sy ny an'i Madagasikara. Nahafinaritra ny dia hoy i Lova, nony tafaverina teto an-toerana izy. "Betsaka ny tsy nahafantatra an'i Madagasikara ary gaga nahita ahy tany hoe hay ve ohatr'izao zany Malagasy izany". Maro ihany ko any traikefa voarainy tany, ary dia irariana ny itohizan'ny fandraisan'anjaran'ny malagasy amin'ity fifaninana ity.



















Commentaires
Crassivaiah
jeu, 09/12/2010 - 10:42fa lova nanin????
bang ja
mar, 14/12/2010 - 09:44Nanan!!!
bang ja
jeu, 16/12/2010 - 08:59Au fait ref ts maay teny anglisy tokon ts hanao mister mits e!!! il fo kan même avoir des trucs dans la tête à part du gel coiffant et des mark de vêtements.
C'est désolant alor ke le mec s'est pris trop au sérieux. J'espère ke les prochains candidats seront plus instruits et intelligents!! kil représentent bien les malgaches quoi!! Un mec et une fille hors du commun!!
nanté_twiggy
lun, 20/12/2010 - 15:42mwai .. bof .. c'était pas une surprise non plus
bang ja
mer, 12/01/2011 - 11:32justement!!!
glosøte
mer, 02/03/2011 - 23:18lol! c T une surpriz pour moi paske tu voi les amis preske toute les meuf de mada a fallit prendre une pistolE si c t pa lui le premier alor ke VOILA! rien! si jai di ke c t un Null de za no mialona sy ratsy hono!
VOILA! mbola aiza ny ahazo ny gasy be valeur sans cervel