Ny sabotsy lasa teo no nanatanterahana ny fifantenana famaranana ny RTA Miss & Mister 2011 na ireo andriambavilanitra sy lehilahy hisolo tena antsika any amin'ny Miss Earth sy Mister International. Fety be tokoa raha ny tao amin'ny dôme RTA nandritr'ireo défilé sy performance nataon'ireo mpanakanto nasaina manokana raha tsy hilaza afa-tsy i Shyn, isa roa telo ary Imiangaly.
Tenues de soirée, tenues jean, ny fentina an-dranomasina ary ny akanjo malagasy no nilatron'ireo mpifaninana. Nihavka ihany koa tamin'ity ny costumes de cérémonie indonésiens nentin'ireo mpifanina fito lahy, fito vavy.