Actus

Tous les évènements du moment

Radio Television Analamanga - RTA Madagascar

Tany Norwalk, Etats-Unis, no nisy niditra tampoka tao amin'ity tonkantrano iray , ary dia tovolahy kely vao fito taona no nampandre haingana ny manampahefana tao antoerana, rehefa izy niafina tao amin'ny trano fandroana iny. Olona telo no hitany niditra tao amin'ny tranony. Ary dia avy hatrany izy dia niafina tao amin'ny trano fidiovana niaraka tamin'ny anabaviny kely. Ary dia henony fa norahonan'ireto jiolahy ny ray amandreniny ary hitany ny fitaovam-piadiana nentin'ireto jiolahy. Rehefa itany izany dia niantso vonjy haingana tamin'ny polisy izy.

Radio Television Analamanga - RTA Madagascar

Asa na dia mbola tafiditra ao anatin'ilay olana eo an'ivon'ny marika toyota indray ity zavatra nitranga tany Etas Unis iny fa dia mandeha hoazy ilay fiara Toyota Prius ity. James Sikes ary 61 taona izy, izy no tompon'ity fiara ity ity raha izy nandeha tamin'ny autoroute mivoaka ny San Diego iny ny Alatsinainy no nahatsapany fa mihamandeha mafy ny fiara hoentiny na dia tsy manitsaka akory aza izy.

Radio Television Analamanga - RTA Madagascar

Pierre,zanaka lahimatoa an'Andriamatoa Nicolas Sarkozy, somary nahavariana ny olona iany ny nahita azy tao anatin'ny clip anakiray fa tsy nilomano tao anatin'ny politika. Izy moa dia nisongadina ao anatin'ilay clip ho mpanjakan'ny Hip hop ary clipn'ny Laszlo Jones, Download me I'm free. Pierre Sarkozy dia nisafidy lalana hafa manokana tsy toy ireo mpiray tampoha amin'ny sy ny dadany izay mandalina manokana ny politika.

Radio Television Analamanga - RTA Madagascar

Efa ho telo erinandro teo izao no nahatsikaritra ny fianakaviana iray Orthodoxe de Garge-les Gonesse (Val-d'Oise), Tamin'ny 12 febroary lasa teo no nanomboka nitranga ity seho hafahafa ity; izany ny zoma niantombohan'ny karemy hoan'ny mpino katolika... ary dia izao mbola mitohy izao, ity sary vongana ity moa dia sarin'ny Masina Maria. Araka ny fanazavan'ilay tompony dia nisy pretra Libanais izay nanolotra ity fanomezana ity tamin'ny vadiny tamin'ny taona 2006, tamin'ny fitsingerenan'ny taona nahatarahan'ny vadiny.

Radio Television Analamanga - RTA Madagascar

Nopotehin'ity lehilahy iray ny efitry ny hotely natoriany ary nolazainy fa nisy devoly ary tamin'ny anaran'Andriamaniny no nanaovany izao fihetsika izao.

Radio Television Analamanga - RTA Madagascar

Raha manokatra page Google enao dia mahita ny sary hafa ny mahazatra, Androany tokoa ny tsingerintaona nahaterahan'ny mpamorina iray Antonio Vivaldi ary dia izao omena voninahitra izao izy. Teraka tamin'ny 04 mars 1678 tany Venise, ity mpamorina sady mpitendry Violon Antonio Vivaldi ary izany no mahatonga ny Google manome voninahitra azy amin'ny alalan'ny fampisehoana ireo sarisary amin'ny pejy fanokafana ny google izao. Raha tsiahivina moa ny zavatra nataony dia namorina violon 4 izy ary samy mampiseho ny andraikiny avy ireo karazany 4 ireo.

Radio Television Analamanga - RTA Madagascar

Manampahaizana Japonais iray no namorona karazana fikarohana iray handinihana sy hanoritana ny fitomany sy ny fikikan'ny zazakely vao teraka na ireny zaza mbola tsy miteny ireny. Io fikarohana io moa dia mety ahafahana mamantatra tsara ny fihetsem-pon'ny zazakely tsy mbola miteny. Ary hatramin'izao aloha dia mbola ny kikiakan-jazakely mitaraina marary no fantatry ny olona mijery amin'ny ankapobeany, na ny mpitaiza ilay zaza izany.

Radio Television Analamanga - RTA Madagascar

Taorian'ny fihetsehan'ny tany tany chili izay nahafatesana olona 720 dia hitrangana fandrobana ny tanana sasantsasany ao antoerana. Arak'izany dia somary sahirana ihany ny tafika na dia efa tonga aza ny fanampiana avy any ivelany. Ny alatsinainy 01 mars 2010 Hillary Clinton nanao hetsika ho fanampiana an'i Chili tamin'ny alalan'ny fanomezana finday 20 amin'ny alalan'ny satelite ho fanampiana ireo hopitaly hifampitana vaovao.

Radio Television Analamanga - RTA Madagascar

Araka ny tatitra vonjimaika tamin'ilay rido-mahery Xynthia izay namely ny ilany Andrefan'ny France ny Alahady teo dia eo amin'ny 47 eo no isan'ireo olona maty, izay no nambaran'ny Minisitra anatiny: Brice Hortefeux. Mety mbola hitombo ny isan'ny olona maty araka ny nambaran'ity farany ihany, satria dia mbola maro ireo fihanankaviana no milaza tsy nahita ny avany ary dia mbola manoy ny fikarohana ny mpiandry voina any antoerana

Radio Television Analamanga - RTA Madagascar

Tany Frantsa no niseho ny tantara, iny izy saika hanao valifaty tamin'ny sipany taloha iny indrindra no gaga fa diso adiresy ranamana ka voasambotra.

Flux RSS

Forum de discussion

Chat

Commentaires récents

Portrait de AnjaranY
Il y a 7 heures 45 min
Portrait de ANDRIAMAMPIANINA ravaka nathalie renty diosoa
Il y a 8 heures 30 min
Portrait de ANDRIAMAMPIANINA ravaka nathalie renty diosoa
Il y a 8 heures 38 min
Portrait de AnjaranY
Il y a 9 heures 14 min
Portrait de Balou
Il y a 14 heures 3 min
Portrait de kajitiana
Il y a 14 heures 48 min
Portrait de awesome
Il y a 15 heures 3 min
Portrait de Balou
Il y a 15 heures 4 min
Portrait de Balou
Il y a 15 heures 7 min
Portrait de riova
Il y a 19 heures 46 min

Les membres

© apiqa.mg