Nanambara apaha-bemaso ny mpanamboarana fiarakodia TOYOTA fa nisedra olana ara-teknika ny fanajanonana fiarakodia ny fiara Hybride Prius izay namidy izany tamin'ny taona 2009, izany hoe naharay fitarainana 77 be izao izy ireto tany Japon. Nanambara hatrany moa ity mpitondra tenin'ny Marika TOYOTA ity fa ny olana dia efa hita ary efa voavaha io olana io nanomboka tamin'ny fiandohan'ity taona vaovao 2010 ity. Ary dia eo andalan'ny fiheritreretana manoloana ireo nividy ity fiara ity hoe ahoana ny fomba entina hilazana amin'izy ireo fa misy olana ny fanajanonana io fiara io. Ity fitarainana tamin'ny andiany faha telo amin'ny PRIUS tany Japon sy Etats-Unis moa dia nanomboka tamin'ny volana mai 2009. Izy ity moa dia lasa olana lehibe ho an'ity tobim-panamboarana fiara-kodia marika Toyota ity ankehitriny satria tsy vao ela akory izao no nisy fitarainana toy izao ny fiara toyota fa misy olana koa ny accelerateur.
Koa raha nividy io marika fiara vaovao io ianao teo anelanelan'ny volana mai 2009 hatramin'ny Janoary 2010 dia ataovy ny fitarainana fa mety ho soloina vaovao ny fiaranao.









