Tany Norwalk, Etats-Unis, no nisy niditra tampoka tao amin'ity tonkantrano iray , ary dia tovolahy kely vao fito taona no nampandre haingana ny manampahefana tao antoerana, rehefa izy niafina tao amin'ny trano fandroana iny. Olona telo no hitany niditra tao amin'ny tranony. Ary dia avy hatrany izy dia niafina tao amin'ny trano fidiovana niaraka tamin'ny anabaviny kely. Ary dia henony fa norahonan'ireto jiolahy ny ray amandreniny ary hitany ny fitaovam-piadiana nentin'ireto jiolahy. Rehefa itany izany dia niantso vonjy haingana tamin'ny polisy izy.