Nisaraka tamin'i Liam Hemsworth, na dia efa teo aza ireo ezaka maromaro natao toy ny fividianana ilay Villa mba hiarahana mipetraka, dia toy ny nofinofy izany sisa. Tena very hevitra tanteraka ny tovovavy amin'izao fotoana, ary toy ny mbola tsy mino hoe vita ny fiarahan'izy sy ity Ostraliana ity, tsy laitra hatao inona mihintsy ny tenanany. Araka ny voalazan'ny olona akaiky azy, nilaza ny tsiambaran-telony fa, nihevitra ny hiara-dalana aminy mandra-maty i Miley nefa indrisy.